Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 73
- 1 [BOKY FAHATELO][Ny amin’ny tsy hahaketraka ny olon’Andriamanitra, raha mahita ny ratsy fanahy ambinina] Salamo nataon’i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.
- 2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,
- 3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.
- 4 Fa tsy misy fanaintainana amin’ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.
- 5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.
- 6 Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba.
- 7 Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony.
- 8 Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy.
- 9 Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany.
- 10 Izany no itodihan’ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin’ireny;
- 11 Ka hoy izy: Hataon’Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra?
- 12 Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena.
- 13 Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin’ny fahamarinana.
- 14 Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina.
- 15 Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao.
- 16 Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany.
- 17 Mandra-piditro tao amin’ny fitoera-masin’Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany.
- 18 Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
- 19 Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy!
- 20 Tahaka ny anaovan’ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik’ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.
- 21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,
- 22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]
- 23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
- 24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin’ny voninahitra aho.
- 25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin’ny tany iriko tahaka Anao.
- 26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
- 27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
- 28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin’Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.