Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 18
- 1 [Fitantaran’i Davida ny namonjen’Andriamanitra azy] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida, mpanompon’i Jehovah, izay nilaza tamin’i Jehovah ny tenin’ity fihirana ity tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
- 2 Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy.
- 3 Miantso an’i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.
- 4 Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
- 5 Ny famatoran’ny fiainan-tsi-hita* nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana.[Heb: Sheola]
- 6 Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
- 7 Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin’ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
- 8 Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
- 9 Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin’ny tongony.
- 10 Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin’ny ela-drivotra Izy.
- 11 Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly* rahona matevina.[Heb: aizin-drano]
- 12 Ary teo amin’ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo.
- 13 Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo.
- 14 Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy.
- 15 Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin’ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavoronao.
- 16 Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ny rano be Izy;
- 17 Namonjy ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny
- 18 Nisakana ahy tamin’ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
- 19 Dia nitondra ahy ho any amin’ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
- 20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy.
- 21 Fa nitandrina ny lalan’i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’Andriamanitro;
- 22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko;
- 23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako;
- 24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan’ny tanako teo imasony.
- 25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
- 26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb: miolakolaka]
- 27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.
- 28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako.
- 29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
- 30 Raha ny amin’Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy; Jehovah no ampingan’izay rehetra mialoka aminy.
- 31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
- 32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako.
- 33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin’ny fitoerako avo.
- 34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
- 35 Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
- 36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
- 37 Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany.
- 38 Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin’ny tongotro izy.
- 39 Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
- 40 Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy.
- 41 Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin’i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy.
- 42 Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin’ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy.
- 43 Mamonjy ahy amin’ny fifanoheran’ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan’ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
- 44 Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy*. [Na: Ny olona re laza ihany aza, dia hafa firenena, mikoy ahy]
- 45 Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin’ny fiarovany mafy.
- 46 Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy,
- 47 Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy.
- 48 Mamonjy ahy amin’ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin’ny olon-dozabe.
- 49 Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
- 50 Manao famonjen-dehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin’ny voahosony, dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.