Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 65
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an’ny mpiventy hira.Salamo nataon’i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao]
- 2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin’ny nofo rehetra.
- 3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.
- 4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao.
- 5 Zava-mahatahotra no ataonao amin’ny fahamarinana ho valin’ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin’ny faran’ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.
- 6 Mampiorina ny tendrombohitra amin’ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.
- 7 Mampitsahatra ny firohondrohon’ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban’ny firenena.
- 8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran’ny tany; ny any amin’ny fiposahan’ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.
- 9 Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin’Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an’ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.
- 10 Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.
- 11 Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.
- 12 Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.
- 13 Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.