Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 55
- 1 [Fitarainana nataon’izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Maskila nataon’i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ny fitarainako.
- 2 Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
- 3 Noho ny feon’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ny fahatezerana no ankahalany ahy.
- 4 Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
- 5 Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
- 6 Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
- 7 Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
- 8 Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
- 9 Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
- 10 Hodidininy andro aman’alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
- 11 Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ny lalàmbeny.
- 12 Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
- 13 Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
- 14 Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ny maro ho ao an-tranon’Andriamanitra.
- 15 Aoka hanampoka azy ny fahafatesana*. Aoka hidina velona any amin’ny fiainan-tsi-hita** izy; fa ratsy no ao amin’ny fonenany, dia ao afovoany***. [*Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][**Heb: Sheola][***Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin’ny firaketany, dia ao am-pony]
- 16 Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
- 17 Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
- 18 Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ny fiadanana hahafahako amin’ny adin’ireny amiko, fa maro no miady amiko.
- 19 Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’Andriamanitra.
- 20 Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
- 21 Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
- 22 Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
- 23 Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.