Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 35
- 1 [Fiantsoana an’Andriamanitra hamaly ny ratsy ataon’ny mpanenjika] Nataon’i Davida. Jehovah ô, mamalia izay manana ady amiko; miadia amin’izay mamely ahy.
- 2 Raiso ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe ka mitsangàna hamonjy ahy.
- 3 Ary raiso ny lefona, ka sakano izay manenjika ahy; lazao amin’ny fanahiko hoe: Famonjena anao Aho.
- 4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy hangaihay izay misaina hanisy ratsy ahy.
- 5 Aoka ho tahaka ny akofa eo alohan’ny rivotra izy. Ary aoka ny Anjelin’i Jehovah handroaka azy.
- 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalany, ary aoka ny Anjelin’i Jehovah hanenjika azy.
- 7 Fa tsy ahoan-tsy ahoana no nanaovany fandri-totofana hahazoany ahy; tsy ahoan-tsy ahoana no nandavahany hamandrihany ny aiko.
- 8 Aoka ny fandringanana ho tonga tampoka aminy; ary aoka hahazo azy ny fandrika harato nafeniny, ka ho latsaka ao amin’izany fandringanana izany indrindra izy.
- 9 Fa ny fanahiko kosa hifaly amin’i Jehovah sy ho ravoravo amin’ny famonjeny.
- 10 Ny taolako rehetra hanao hoe: Jehovah ô, iza no tahaka Anao, Izay manafaka ny ory amin’izay tsy tohany, eny, ny ory sy ny malahelo amin’izay mamabo azy?
- 11 Mitsangana ny vavolombelona mampidi-doza; ka izay tsy fantatro no anadinany ahy.
- 12 Mamaly ratsy ahy ho solon’ny soa izy, ka mamoy malala ny fanahiko.
- 13 Ary ny amiko, raha narary izy ireo, dia lamba fisaonana no nitafiako; nampahory ny tenako tamin’ny ny fifadian-kanina aho; ary ny fivavako nody tao an-tratrako.
- 14 Toy ny nisy nanjo ny sakaizako na ny rahalahiko no nandehanako; nitanondrika tamin’alahelo toy ny fisaona reny aho.
- 15 Nefa nony ho lavo kosa aho, dia faly izy ireo ka niangona;olona faraidina no nitangorona hamely ahy, nefa tsy fantatro*; namiravira izy ka tsy mba nitsahatra;[Na: Olona faraidina, izay fantatro, no nitangorona hamely ahy]
- 16 Naman’ny olon-dratsy manendrikendrika ho enti-mila sitraka* izy ka nihidy vazana tamiko.[Heb. hahazoa-mofo; na;tena mpanendrikendrika indrindra]
- 17 Ry Tompo ô, mandra-pahoviana no hijerenao ? Avereno ny fanahiko ho afaka amin’ny fandringanany, ny hany malalako ho afaka amin’ny liona tanora.
- 18 Hisaotra Anao eo amin’ny fiangonana lehibe aho; hidera Anao eo afovoan’ny olona maro aho.
- 19 Aoka tsy hifalian’izay mandrafy ahy foana aho; ary aoka tsy hami-maso izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
- 20 Fa tsy fihavanana no lazainy; fa mamorom-pitaka izy hamelezany izay mibonaika ambonin’ny tany.
- 21 Dia mitanatana vava amiko izy ka manao hoe: Hià! sakoa izay! efa hita’ny masonay.
- 22 Efa hitanao, Jehovah ô, ka aza manentsin-tadiny; ry Tompo ô, aza manalavitra ahy.
- 23 Mahatsiarova, ka mifohaza ho amin’ny fitsaràna ahy, O Andriamanitro sy Tompoko! mifohaza ho amin’ny adiko.
- 24 Tsarao aho, Jehovah Andriamanitro ô, araka ny fahamarinanao; ary aoka tsy hifalian’ireo aho.
- 25 Aoka tsy hanao anakampo hoe izy: Hià! faly izahay! aoka tsy hanao hoe izy: efa natelinay izy.
- 26 Aoka ho menatra sy hangaihay avokoa izay mifaly amin’ny manjo ahy; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mirehareha amiko.
- 27 Aoka hihoby sy hifaly izay mankasitraka ny fahamarinako; ary aoka izy hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah, Izay mankasitraka ny fiadanan’ny mpanompony.
- 28 Ary ny lelako hilaza ny fahamarinanao; ny fiderana Anao no hataoko mandrakariva.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.