Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 135
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra - Ny asany mahagaga - Ny fiamboniany amin’ny sampy]. Aleloia!
- Miderà ny anaran’ny Tompo,
miderà azy hianareo mpanompon’ny Tompo,
- 2 hianareo manao fanompoana ao an-tranon’ny Tompo,
eo an-kianjan’ny tranon’Andriamanitsika.
- 3 Miderà an’ny Tompo fa tsara Iaveh,
mihirà ny anarany amin’ny harpa, fa mamy tanteraka.
- 4 Fa Iaveh efa nifidy an’i Jakoba ho azy,
sy an’Israely ho lovany.
- 5 Eny, fantatro, lehibe Iaveh,
ambony noho ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
- 6 Manao izay tiany rehetra Iaveh,
eny an-danitra sy ety ambonin’ny tany,
any an-dranomasina sy any amin’ny hantsana rehetra.
- 7 Mampiakatra ny zavona avy amin’ny faran’ny tany izy;
mandefa ny tselatra aman-dranonorana,
mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany.
- 8 Namono ny voalohan-terak’i Ejipta izy fahiny,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby.
- 9 Naneho famantarana amam-pahagagana izy,
teo afovoanao, ry Ejipta,
namelezany an’i Faraona sy ny mpanompony rehetra.
- 10 Firenena maro no nasiany,
ary mpanjaka mahery no novonoiny:
- 11 Sehona mpanjakan’ny Amoreana, Oga mpanjakan’i Basàna,
mbamin’ny mpanjaka rehetra tany Kanaana,
- 12 ka natolony ho lova ny tanin’ireo,
dia ho lovan’Israely vahoakany.
- 13 Iaveh ô, maharitra mandrakizay ny anaranao:
Iaveh ô maharitra amin’ny taona rehetra mifandimby ny fahatsiarovana anao.
- 14 Fa manome rariny ny vahoakany Iaveh,
ary miantra ny mpanompony izy.
- 15 Ny sampin’ny firenena dia volafotsy amam-bolamena,
asa-tànan’olombelona.
- 16 Manam-bava fa tsy miteny izy;
mana-maso fa tsy mahita;
- 17 manan-tsofina fa tsy mahare izy,
tsy misy fofon’aina akory aza ny vavany.
- 18 Hanahaka ireny anie ry zareo nanao azy,
na iza na iza mitoky aminy!
- 19 Misaora an’ny Tompo, ry taranak’Israely!
Misaora an’ny Tompo, ry taranak’i Aarona!
- 20 Misaora an’ny Tompo, ry taranak’i Levì!
Misaora an’ny Tompo, hianareo matahotra an’ny Tompo!
- 21 Hisaorana avy ao Siona anie Iaveh,
izay mitoetra ao Jerosalema!
Aleloia!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.