Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 9
- 1 [Salamo abidy. Fiderana an’Andriamanitra, Mpitsara marina, sy fahatokiana Azy] Ho an’ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon’i Davida. Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
- 2 Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô,
- 3 Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao.
- 4 Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin’ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina.
- 5 Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria.
- 6 Ny amin’ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy*; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza.[Na: Ry fahavalo tanteraka ho mandrakizay ny fandravana]
- 7 Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy,
- 8 Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin’ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin’ny fahitsiana Izy.
- 9 Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an’ny mahantra, ho fiarovana avo amin’ny andro fahoriana Izy.
- 10 Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô.
- 11 Mankalazà an’i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin’ny firenena ny asany.
- 12 Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy.
- 13 Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin’izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,
- 14 Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin’i Ziona zanakavavy no hifaliako amin’ny famonjenao.
- 15 Ny jentilisa efa latsaka tamin’ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
- 16 Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin’ny asan’ny tànany Izy.
- 17 Hiverina ho any amin’ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an’Andriamanitra.[Heb. Sheola]
- 18 Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra.
- 19 Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
- 20 Asio fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.