Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 59
- 1 [Fitarainan’izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin’ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin’ny avo aho tsy ho azon’izay miodina amiko.
- 2 Afaho amin’ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin’ny mpandatsa-drà.
- 3 Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
- 4 Tsy heloko* no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
- 5 Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin’izay mpivadika ratsy fanahy.
- 6 Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ny tanàna.
- 7 Indro, mirezadrezatra amin’ny vavany izy; sabatra no eo amin’ny molony, fa iza, hono, no handre?
- 8 Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
- 9 Koa noho ny herin’ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
- 10 Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon’Andriamanitra faly mijery ny amin’ny fahavaloko aho.
- 11 Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin’ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
- 12 Ny fahotan’ny vavany dia ny tenin’ny molony; aoka hosamborina amin’ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
- 13 Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin’ny Jakoba ka hatramin’ny faran’ny tany.
- 14 Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran’ny tanàna.
- 15 Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
- 16 Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin’ny andro fahoriana.
- 17 Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.