Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 91
- 1 [Ny fahatokian’ny olo-marina an’Andriamanitra, na dia manakaiky azy aza ny manjo ny sasany] Ny mitoetra ao amin’ny fierena izay an’ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha.
- 2 Izaho hilaza an’i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
- 3 Fa Izy no hanafaka anao amin’ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
- 4 Ny volon’elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
- 5 Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
- 6 Na ny areti-mandringana mandeha amin’ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ny mitataovovonana.
- 7 Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
- 8 Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
- 9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
- 10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
- 11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’izay rehetra halehanao.
- 12 Eny an-tànany no hitondran’ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao.
- 13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
- 14 Satria Izaho no niraiketan’ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
- 15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
- 16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.