Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 49
- 1 [Ny fahafoanan’ny harena amam-boninahitra] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao:
- 2 Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
- 3 Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan’ny foko dia fahalalana.
- 4 Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
- 5 Nahoana no hatahotra amin’ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ny mpamingana ahy,
- 6 Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ny haben’ny fananany?
- 7 Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony,
- 8 (Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
- 9 Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin’ny lavaka*.[Na: ho tratry no lò]
- 10 Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an’ny hafa.
- 11 Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny*.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin’ny tany maro]
- 12 Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
- 13 Izany no falehan’ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
- 14 Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin’ny fiainan-tsi-hita*; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin’ny fiainan-tsi-hita*, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
- 15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy*.[Na: Rehefa azony aho]
- 16 Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
- 17 Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
- 18 Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
- 19 Dia hankany amin’ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.
- 20 Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.