Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 92
- 1 [Fifaliana amin’Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin’ny andro Sabata. Tsara ny hidera an’i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
- 2 Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
- 3 Amin’ny valiha tory folo Sy amin’ny feon-dokanga.
- 4 Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan’ny tananao no hihobiako.
- 5 Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
- 6 Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
- 7 Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
- 8 Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
- 9 Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
- 10 Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
- 11 Ary faly ny masoko mahita ny amin’ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
- 12 Ny marina hamololona tahaka ny rofia*; Hisandrahaka** tahaka ny sedera any Libanona izy; [*palma][**Heb. Ho tonga lehibe]
- 13 Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika;
- 14 Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,
- 15 Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.