Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 139
- 1 [Fankalazana ny fahalalan’Andriamanitra tsy misy fetra - Nahoana no fantatr’Andriamanitra, nefa avelany haharitra ihany ny tsy marina?] Ho an’ny mpampianatra hira. Nataon’i Davida.
Iaveh ô, mizaha toetra sy mahalala ahy hianao:
- 2 fantatrao ny fipetrako sy ny fitsangako;
tsinjovinao ny hevitro mbola lavitra.
- 3 Hianao mitsirika ahy na mandeha na mandry,
ary mahazatra anao ny làlako rehetra.
- 4 Ny teny tsy mbola mby eo an-delako aza,
efa fantatrao manontolo sahady, ry Iaveh.
- 5 Manodidina ahy eo alohako sy eo ivohoko hianao,
ary apetrakao amiko ny tànanao.
- 6 Fahalalana mahagaga loatra, raha izaho, izany,
ka ambony lavitra noho izay mety ho takatro.
- 7 Aiza no halehako lavitra ny fanahinao,
aiza no handosirako lavitra ny tavanao?
- 8 Raha miakatra any an-danitra aho, any hianao,
raha mandry any amin’ny seoly aho, indro ao hianao.
- 9 Raha maka ny elatry ny maraina aho,
ka mandeha hitoetra any am-paran’ny ranomasina,
- 10 ny tànanao ihany koa no hitarika ahy any,
ary ny tànanao ankavanana no hihazona ahy.
- 11 Ka milaza aho hoe: Ny aizina ahay mba hanarona ahy,
ary ny alina no hany fahazavana hanodidina ahy!...
- 12 Tsy misy maizina ho anao, na ao amin’ny aizina aza,
mamiratra toy ny andro ho anao ny alina,
ary ny aizina toy ny fahazavana.
- 13 Hianao no namorona ny voako,
sy nanenona ahy tao an-kibon’ineny.
- 14 Midera anao aho, amin’ny nanaovanao ahy ho zava-boahary mahagaga loatra:
mahagaga ny asanao,
ary mamin’ny fanahiko ny mieky izany.
- 15 Tsy niafina taminao ny tenako,
tamin’ny namoronana ahy tao amin’ny miafina,
voatenona tamim-pahaizana, tao amin’ny fanambanin’ny tany.
- 16 Fony zavatra vao torontoronina tsy nisy endrika akory aho no efa hitan’ny masonao,
ary voasoratra teo amin’ny bokinao avokoa,
ny andro voatendry hiainako,
talohan’ny tsy mbola nisiany akory.
- 17 Ry Andriamanitra ô, mahafinaritra loatra lahy ny hevitrao!
Endrey, izany hamaroany!
- 18 Raha manisa azy aho, mihoatra noho ny hamaroan’ny fasika ny isany;
nony mifoha aho dia mbola eo aminao ihany!
- 19 Andriamanitra ô tsy handringana ny ratsy fanahy va hianao?
Mialà amiko hianareo mpandatsa-dra!
- 20 Fiteny mahameloka no iresahany anao,
manonom-poana ny anaranao ireo fahavalonao ireo.
- 21 Ry Iaveh , tsy tokony hataoko va ny mankahala izay mankahala anao,
sy manao ho zava-betaveta an’ireo mitsangan-kanohitra anao?
- 22 Halako dia halako tanteraka tokoa ireny,
fahavaloko izy ireny, raha izaho.
- 23 Zahao toetra aho, Andriamanitra ô, ka fantaro ny foko;
tsapao aho, ka fantaro ny hevitro!
- 24 Jereo raha eo amin’ny làlan-dratsy aho,
dia tariho eo amin’ny làlana mandrakizay.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.