Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 148
- 1 [Hiara-midera an’Andriamanitra anie ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý an-tany]. Aleloia!
Miderà an’ny Tompo any an-tampon’ny lanitra,
miderà azy any ambony any!
- 2 Miderà azy hianareo anjeliny rehetra,
miderà azy hianareo tafiny rehetra!
- 3 Miderà azy ry masoandro amam-bolana;
miderà azy hianareo kintana mamirapiratra rehetra.
- 4 Miderà azy ry lanitry ny lanitra
ary hianareo rano ambonin’ny lanitra.
- 5 Aoka hidera ny anaran’ny Tompo ireo:
fa mandidy izy, dia hary izy ireo.
- 6 Nampitoetra ireo mandrakizay doria izy,
ary nametraka lalàna izay tsy hodikaina.
- 7 Miderà an’ny Tompo etý an-tany, ry biby goay be anaty ranomasina,
mbaminareo rehetra ranomasin-dehibe,
- 8 afo aman-kavandra, oram-panala aman’entona,
rivotra mahery izay manatanteraka ny fandaharany,
- 9 tendrombohitra mbaminareo havoana rehetra,
hazo fihinam-boa mbaminareo havoana sedera rehetra,
- 10 biby dia amam-biby fiompy isan-karazany;
biby mandady amam-boro-manan’elatra,
- 11 mpanjakan’ny tany mbamin’ny vahoaka rehetra,
mpanapaka mbaminareo rehetra mpitsara amin’ny tany,
- 12 zatovolahy sy virjiny tanora,
lahiantitra sy zaza.
- 13 Aoka hidera ny anaran’ny Tompo izy ireo,
fa ny anarany no hany lehibe,
ny voninahiny dia ambonin’ny lanitra sy ny tany.
- 14 Nanandratra ny fahefan’ny vahoakany izy,
foto-piderana amin’izay rehetra miraiki-po aminy,
dia amin’ny zanak’Israely firenena akaiky azy.
Aleloia!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.