Salamo
(boky voalohany)
Salamo toko 7
- 1 [Fiantsoana an’Andriamanitra, Mpitsara marina] Sigaiona nataon’i Davida, izay nohirainy ho an’i Jehovah noho ny tenin’i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin’izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
- 2 Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon’ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
- 3 Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
- 4 Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
- 5 Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin’ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin’ny vovoka.
- 6 Jehovah ô, mitsangàna amin’ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
- 7 Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin’ny avo eo amboniny Hianao,
- 8 Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
- 9 Aoka ho tapaka ny ratsy ataon’ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
- 10 Ny ampingako dia ao amin’Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
- 11 Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan’andro.
- 12 Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
- 13 Ary ireo dia kendreny amin’ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
- 14 Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*; [Heb: lainga]
- 15 Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin’ny longoa nataony ihany izy;
- 16 Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran’ny loza nataony.
- 17 Hidera an’i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran’i Jehovah Avo Indrindra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.