Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 147
- 1 [Fiderana an’Iaveh fa ny heriny amam-pamindram-pony miharihary amin’ny zavatra rehetra sy ny tantaran’Israely]. Aleloia!
Miderà an’ny Tompo,
fa tsara ny mankalaza ny Andriamanitsika,
fa mamy sy mendrika ny midera azy.
- 2 Manangana an’i Jerosalema indray Iaveh,
angoniny ireo tafaely avy tamin’Israely.
- 3 Sitraniny ireo torotoro fo,
ary feheziny ny ferin’izy ireo.
- 4 Manisa ny isan’ny kintana izy,
ary tononiny samy amin’ny anarany avy izy rehetra.
- 5 Lehibe ny Tompontsika ary tsy misy fetra ny heriny;
sady tsy manam-petra ny fahalalany.
- 6 Manati-bonjy ho an’ny manetry tena Iaveh,
fa manetry ny ratsy fanahy amin’ny tany kosa.
- 7 Manaova hira fisaorana ho an’ny Tompo;
mankalazà ny Andriamanitsika amin’ny harpa!
- 8 Fa saronany rahona ny lanitra,
ary ny tany amononany ranonorana;
mampaniry ahitra ny tendrombohitra izy.
- 9 Manome hanina ny biby fiompy,
sy ny zana-goaika mitaraina aminy izy.
- 10 Tsy ny herin’ny soavaly no ankasitrahany,
na ny tongotr’olombelona no mahafinaritra azy,
- 11 fa ny fankasitrahan’ny Tompo dia ireo matahotra azy,
ireo manantena ny hatsaram-pony.
- 12 Ry Jerosalema ô, mankalazà ny Iaveh,
ry Siona ô, miderà ny Andriamanitrao.
- 13 Fa nohamafisiny ny hidim-bavahadinao,
hasoaviny ny zanakao eo afovoanao.
- 14 Ataony mandry fahizay ny vava taninao,
vokisany vary tsara indrindra hianao.
- 15 Mandefa ny teniny ho amin’ny tany izy,
faingana dia faingana no fandehan’ny teniny.
- 16 Mandatsaka oram-panala, tahaka ny volon’ondry izy,
ary mandraraka fanala tahaka ny lavenona.
- 17 Atsipiny am-bakivakiny ny vongan-dranomandriny,
ka zovy no mahatoha ny hatsiakany?
- 18 Mandefa ny teniny izy, dia mampiempo an’ireny,
mampifofofofo ny rivony izy, dia mandriaka ny rano.
- 19 Izy no nanambara ny teniny tamin’i Jakoba,
sy ny didiny amam-pitsipiny tamin’Israely.
- 20 Tsy mba nanao toy izany tamin’ny firenena hafa rehetra izy,
ka tsy mahalala ny fitsipiny ireny.
Aleloia!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.