Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 44
- 1 [Fivavaky ny Isiraely nony saiky resim-pahavalo, nefa tsy nahafoy an’Andriamanitra] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ny androny, dia tamin’ny andro fahiny.
- 2 Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany.
- 3 Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan’ny tavanao, satria efa sitrakao izy.
- 4 Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an’i Jakoba.
- 5 Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay.
- 6 Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
- 7 Fa namonjy anay tamin’ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra.
- 8 Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.
- 9 Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin’ny antokon’ny miaramilanay Hianao.
- 10 Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo.
- 11 Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin’ny firenen-tsamy hafa.
- 12 Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin’ny vidiny.
- 13 Ataonao fandatsan’ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson’izay manodidina anay.
- 14 Ataonao ho ambentinteny amin’ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin’ny olona maro.
- 15 Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako,
- 16 Noho ny feon’ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy.
- 17 Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao.
- 18 Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay.
- 19 Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin’ny fitoeran’ny amboadia* sy nanarona anay tamin’ny aloky ny fahafatesana.[Na: jakala]
- 20 Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin’ny andriamani-kafa,
- 21 Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.
- 22 Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.
- 23 Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay.
- 24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay?
- 25 Fa miankohoka amin’ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin’ny tany ny kibonay.
- 26 Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.