Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 104
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra, Mpamorona sy Mpiahy izao rehetra izao] Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
- 2 Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
- 3 Ary mametraka ny rairain-drihan’ny tranony amin’ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ny elatry ny rivotra,
- 4 Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony*.[Na: Manao ny anjeliny ho rivotra Ary ny mpanompony ho lelafo]
- 5 Nanorina ny tany tambonin’ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
- 6 Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
- 7 Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ny kotrokoranao dia nirifatra izy
- 8 Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’izay namboarinao hitoerany.
- 9 Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
- 10 Mampandeha loharano eny amin’ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ny tendrombohitra no alehan’ireny,
- 11 Ka isotroan’ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ny boriki-dia ny hetahetany;
- 12 Eo amboniny no itoeran’ny voro-manidina; Ary eo amin’ny ran-tsan-kazo no anenoany.
- 13 Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
- 14 Mampaniry ahitra ho an’ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ny tany.
- 15 Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ny olona.
- 16 Voky ny hazon’i Jehovah, Dia ny sederan’i Libanona, izay namboleny;
- 17 Izay anaovan’ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ny kypreso no anaovany ny tranony.
- 18 Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ny hyraka.
- 19 Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
- 20 Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ala;
- 21 Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’Andriamanitra.
- 22 Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
- 23 Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ny andro.
- 24 Endrey ny hamaroan’ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao]
- 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
- 26 Any no alehan’ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao]
- 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ny fotoany.
- 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
- 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ny vovoka nanalana azy,
- 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ny tany Hianao.
- 31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ny asany.
- 32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
- 33 Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
- 34 Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’i Jehovah.
- 35 Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.