Salamo
(boky fararoa)
Salamo toko 46
- 1 [Fahatokiana an’Andriamanitra fiarovana mafy] Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.
- 2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
- 3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany.
- 4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra, Fonena-masin’ny Avo Indrindra.
- 5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
- 6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
- 7 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika.
- 8 Avia, jereo ny asan’i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
- 9 Mampitsahatra ady hatramin’ny faran’ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ny afo.
- 10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.
- 11 Jehovah, Tompon’ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’i Jakoba no aro ho antsika.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.