Salamo
(boky fahefatra)
Salamo toko 106
- 1 [Ny fivadibadihan’ny Isiraely ampitahaina amin’ny fahamarinan’Andriamanitra] Haleloia. Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy, Fa mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’i Jehovah, Na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?
- 3 Sambatra izay mitandrina ny mety Ka manao ny marina mandrakariva.
- 4 Jehovah ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao; Vangio amin’ny famonjenao aho,
- 5 Hahitako ny soa azon’ny voafidinao, Hifaliako amin’ny fifalian’ny firenenao, Hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao.
- 6 Efa nanota izahay mbamin’ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.
- 7 Ny razanay tany Egypta tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao; Tsy mba nahatsiaro ny habetsahan’ny famindram-ponao ireny, Fa niodina teo amoron-dranomasina, Dia teo amoron’ny Ranomasina Mena
- 8 Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany, Mba hampahafantarany ny asany lehibe.
- 9 Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,
- 10 Namonjy azy tamin’ny tanan’ny mpandrafy Izy Ary nanavotra azy tamin’ny tanan’ny fahavalo.
- 11 Dia nosaronan’ny rano kosa ny rafiny. Ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
- 12 Dia nino ny teniny izy Ka nihira ny fiderana Azy.
- 13 Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony,
- 14 Fa fatra-pila izy tany an-efitra, Sady naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.
- 15 Dia nomeny azy izay nilainy, Kanefa nampahahiaziny kosa izy*.[Na: ny fanahiny]
- 16 Dia nialona an’i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an’i Arona, olo-masin’i Jehovah.
- 17 Nisokatra ny tany, dia nitelina an’i Datana Ka nanarona ny antokon*’i Abìrama.[Heb. ny fiangonany]
- 18 Dia nisy afo nirehitra tamin’ny antokony*; Lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.[Heb. ny fiangonany]
- 19 Nanao ombilahy kely tany Horeba izy Ka niankohoka teo anoloan’ny sarin-javatra an-idina.
- 20 Ary ny voninahiny dia natakalony Sarin’ny omby homana ahitra.
- 21 Nohadinoiny Andriamanitra, Mpamonjy azy, Izay efa nanao zava-dehibe tany Egypta,
- 22 Dia fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama sy zava-mahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.
- 23 Ary nikasa* handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin’ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.[Heb. nilaza]
- 24 Ary nanamavo ny tany mahafinaritra ireo Sady tsy mba nino ny teniny,
- 25 Fa nimonomonona tany an-dainy Ka tsy nihaino ny feon’i Jehovah.
- 26 Dia nanandratra ny tànany taminy Izy, Fa hampiampatrampatra azy any an-efitra
- 27 Ary ny taranany kosa any amin’ny jentilisa, Ary hampihahakahaka azy any amin’ny tany maro Izy.
- 28 Nikambana tamin’i Bala-peora ireo ka nihinana ny fanatitra ho an’ny maty,
- 29 Dia nampahatezitra an’i Jehovah tamin’ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.
- 30 Fa nitsangana nandroso Finehasa ka nanao fitsarana; Dia nitsahatra ny areti-mandringana.
- 31 Ary nisaina ho fahamarinany izany Hatramin’ny taranaka fara mandimby mandrakizay.
- 32 Nampahatezitra an’i Jehovah teo anilan’ny ranon’i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’i Mosesy noho ny nataon’ireo;
- 33 Fa niodina tamin’ny Fanahin’i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy.
- 34 Tsy naringany ny firenena Izay nasain’i Jehovah naringany;
- 35 Fa nifangaro tamin’ny jentilisa izy Ka nianatra ny fanaony,
- 36 Dia nanompo ny sampiny izy, Ka dia nody fandrika ho azy izany.
- 37 Namono ny zananilahy sy ny zananivavy ho fanatitra ho an’ny demonia* ireo;[Heb. ireo tompo]
- 38 Eny, nandatsaka rà marina izy, Dia ny ran’ny zananilahy sy ny zananivavy, Izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana; Ka dia nametaveta ny tany tamin’ny rà izy.
- 39 Ary naloto tamin’ny asany izy Ary nahatonga azy ho mijangajanga ny nataony.
- 40 Dia nirehitra tamin’ny olony ny fahatezeran’i Jehovah, Ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.
- 41 Dia nanolotra azy teo an-tànan’ny jentilisa Izy, Ka izay nankahala azy no nanapaka azy.
- 42 Ary nampahory azy ny fahavalony, Ka naetry tambanin’ny tànany izy.
- 43 Matetika Izy no nahafaka azy; Fa ireo kosa niodina taminy ihany araka ny fisainany Ka nihalevona noho ny helony.
- 44 Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy. Raha nandre ny fitarainany;
- 45 Dia nahatsiaro ny fanekeny Izy Ka nanenina araka ny haben’ny famindram-pony.
- 46 Dia nataony nahita famindram-po ireny Tamin’izay rehetra namabo azy.
- 47 Vonjeo izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, Ka angòny avy amin’ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina Sy hifalianay amin’ny fiderana Anao.
- 48 Isaorana anie Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay; Ary aoka ny olona rehetra hanao hoe: Amena! Haleloia.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.