Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 83
- 1 [Fitarainana noho ny nikambanan’ny firenena maro hamely ny Isiraely] Tonon-kira. Salamo nataon’i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô.
- 2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.
- 3 Ny olonao no iokoany amin’ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.
- 4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran’Isiraely.
- 5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,
- 6 Dia ny lain’ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,
- 7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin’ny mponina any Tyro.
- 8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin’ny taranak’i Lota ireo.
- 9 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’i Sisera sy Jabina teo amin’ny ony Kisona;
- 10 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.
- 11 Ataovy tahaka an’i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an’i Zebaha sy Zaimona,
- 12 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan’Andriamanitra.
- 13 Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin’ny rivotra,
- 14 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;
- 15 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin’ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin’ny tafio-drivotrao.
- 16 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô.
- 17 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.
- 18 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.