Salamo
(boky fahatelo)
Salamo toko 77
- 1 [Fahatsiarovana ny amin’ny taon-dasa ho enti-mampionona ny fo, raha mila ho reraka] Ho an’ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon’i Asafa. Ny feoko dia mankany amin’Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin’Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
- 2 Tamin’ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
- 3 Ta-hahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
- 4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
- 5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
- 6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin’ny alina aho; te-hidinidinika amin’ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
- 7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
- 8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
- 9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
- 10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan*’ny tanana ankavanan’ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon’]
- 11 Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
- 12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
- 13 Andriamanitra ô, amin’ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an’Andriamanitra? [Na: amin’ny fahamasinana]
- 14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin’ny firenena Hianao.
- 15 Navotan’ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak’i Jakoba sy Josefa.
- 16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
- 17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
- 18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin’ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
- 19 Tany amin’ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin’ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
- 20 Ny tanan’i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.