Salamo
(boky fahadimy)
Salamo toko 118
- 1 [Fiderana an’Andriamanitra noho ny famindram-pony, indrindra noho ny namaliany ny vavaka nataon’ny mpanompony sy ny namonjeny azy tamin’ny fahavalony] Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
- 2 Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 3 Aoka ny taranak’i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 4 Aoka izay matahotra an’i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
- 5 Tao an-katerena no niantsoako an’i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
- 6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?
- 7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’izay mankahala ahy.
- 8 Tsara ny mialoka amin’i Jehovah Noho ny mialoka amin’ny olona.
- 9 Tsara ny matoky an’i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
- 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa;
- 11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’i Jehovah no handringanako azy tokoa.
- 13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
- 14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
- 15 Ao an-dain’ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’i Jehovah mampiseho hery;
- 16 Ny tanana ankavanan’i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’i Jehovah mampiseho hery.
- 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’i Jehovah.
- 18 Nofaizan’i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ny fahafatesana.
- 19 Vohay ny vavahadin’ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’i Jehovah.
- 20 Ity no vavahadin’i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
- 21 Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
- 22 Ny vato izay nolavin’ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
- 23 Avy tamin’i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
- 24 Ity no andro nataon’i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’izao isika.
- 25 Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo È! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino È!
- 26 Hotahina anie izay avy amin’ny anaran’i Jehovah; Avy ao an-tranon’i Jehovah no itsofanay rano anareo.
- 27 Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ny tandroky ny alitara aza.
- 28 Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
- 29 Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.