Joba
Toko 1
- 1[Ny amin’ny toetr’i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin’ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
- 2Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
- 3Ary ny fananany dia ondry aman’osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
- 4Ary fanaon’ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an’androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
- 5Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan’izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an’Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon’i Joba mandrakariva.
- 6Ary tamin’ny indray andro nony avy ireo zanak’Andriamanitra hiseho teo anatrehan’i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
- 7Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an’i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ny tany aho ka nivezivezy teny.
- 8Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Efa nandinika an’i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
- 9Ary Satana dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?
- 10Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman’ondriny.
- 11Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
- 12Dia hoy Jehovah tamin’i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan’i Jehovah.
- 13Ary tamin’ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon’ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
- 14ary nisy iraka tonga tany amin’i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
- 15dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 16Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon’Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman’osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 17Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 18Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa;
- 19ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
- 20Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ny tany ka niankohoka
- 21sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran’i Jehovah
- 22Tamin’izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.