Joba
Toko 6
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ny mizana izy sy ny fahoriako!
- 3Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
- 4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
- 5Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ny fihinany?
- 6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
- 7Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
- 8Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’Andriamanitra ahy anie izay iriko!
- 9Ka ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
- 10Dia hahita fiononana amin’izany aho ka hiravoravo na dia amin’ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ny Iray Masina aho.
- 11Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]
- 12Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
- 13Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
- 14Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
- 15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
- 16Izay mainty azon’ny ranomandry Sady iafenan’ny oram-panala;
- 17Fa raha taninin’ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ny fitoerany izy;
- 18Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
- 19Ny antokon’i Tema mitazana, ny andian’i Sheba manantena azy;
- 20Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
- 21Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
- 22Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ny fanananareo,
- 23Ary vonjeo amin’ny tanan’ny fahavalo aho, ka afaho amin’ny tanan’ny mpitohatoha?
- 24Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
- 25Endrey ny herin’ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
- 26Ny amin’ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ny rivotra ny tenin’ny olona mamoy fo.
- 27Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
- 28Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
- 29Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
- 30Moa misy heloka va eo amin’ny lelako?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.