Joba
Toko 8
- 1[Ny teny voalohany nataon’i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
- 3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
- 4Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
- 5Fa raha ianao kosa mandroso mitady an’Andriamanitra ka mifona amin’ny Tsitoha.
- 6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
- 7Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
- 8Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan’ny razany
- 9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ny tany);
- 10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
- 11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin’ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
- 12Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan’ny zava-maitso rehetra.
- 13Toy izany no lalan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]
- 14Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
- 15Miankina amin’ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
- 16Mitsimoka tsara tandrifin’ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin’ny tanimboliny;
- 17Mifelipelika mifaniditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
- 18Kanjo nony fongorany hiala amin’ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
- 19Indro, izany ihany no fifalian’ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ny vovoka.
- 20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
- 21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
- 22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain’ny ratsy fanahy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.