Joba
Toko 9
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’olombelona eo anatrehan’Andriamanitra?
- 3Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ny arivo aza.
- 4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
- 5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ny fahatezerany,
- 6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
- 7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
- 8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
- 9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
- 10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
- 11Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
- 12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
- 13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
- 14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
- 15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’Ilay manana ady amiko no hany heriko.
- 16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
- 17Fa manorotoro ahy amin’ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
- 18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
- 19Raha ny amin’ny herin’ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
- 20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
- 21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
- 22Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
- 23Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
- 24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
- 25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
- 26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
- 27Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
- 28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
- 29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
- 30Na dia mandro amin’ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ny ranon-davenona,
- 31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’izay Hianao, ka hataon’ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
- 32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ny fitsarana.
- 33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
- 34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
- 35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.