Joba
Toko 22
- 1[Ny teny fanintelony nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Mahasoa an’Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
- 3Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
- 4Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ny fitsarana?
- 5Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
- 6Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ny mahantra*.[Heb. mitanjaka]
- 7Tsy nanome rano hosotroin’ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ny noana.
- 8Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
- 9Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ny kamboty.
- 10Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
- 11Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
- 12Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ny kintana, endrey ny hahavony!
- 13Nefa hoy ianao: Ataon’Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
- 14Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ny lanitra Izy.
- 15Moa hizotra amin’ny lalana izay nalehan’ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ny olona ratsy fanahy.
- 16Izay nesorina alohan’ny androny, ka nindaosin’ny riaka ny fanorenany,
- 17Dia ireo izay manao tamin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]
- 18Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy!
- 19Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
- 20Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ny afo.
- 21Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ny soa aminao.
- 22Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
- 23Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
- 24Ario eny amin’ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
- 25Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin’ny fisasarana]
- 26Fa amin’izany dia hiravoravo amin’ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’Andriamanitra.
- 27Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
- 28Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ny lalanao ny mazava.
- 29Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]
- 30Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ny tananao no hamonjena azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.