Joba
Toko 36
- 1Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’Andriamanitra.
- 3Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
- 4Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ny fahalalana no eto aminao.
- 5Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ny herin’ny fahalalana Izy.
- 6Tsy mitsimbina ny ain’ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ny ory.
- 7Tsy mampiala ny masony amin’ny marina Izy; Eo amin’ny mpanjaka ambonin’ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
- 8Ary raha voafatotra amin’ny gadra izy sy voafehy amin’ny tadin’ny fahoriana.
- 9Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
- 10Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ny ratsy.
- 11Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ny fahafinaretana
- 12Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
- 13Fa ny mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
- 14Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ny olom-betaveta*,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin’ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
- 15Fa ny fahorian’ny ory kosa no entin’Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
- 16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ny fahaterena ho amin’ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ny latabatrao.
- 17Nefa raha fatra-pikikitra amin’ny adin’ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
- 18Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ny avotra.
- 19Moa hahatonga anao ho ao amin’izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
- 20Aza irinao ny hihavian’ny alina, izay ampialana ny olona amin’ny fitoerany.
- 21Tandremo, aza mivily ho amin’ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
- 22Indro, Andriamanitra miasa amin’ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
- 23Iza no efa nandidy Azy ny amin’izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
- 24Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ny olona an-kira.
- 25Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ny zanak’olombelona eny lavitra eny izany.
- 26Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
- 27Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
- 28Izay aidin’ny rahona ka alatsany amin’ny olona maro be.
- 29Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
- 30Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ny ranomasina ho firakofany.
- 31Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
- 32Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]
- 33Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ondry koa aza milaza ny hihaviany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.