Joba
Toko 39
- 1Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osi-dia any amin’ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy?
- 2Mahisa ny andro ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
- 3Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
- 4Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
- 5Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ny boriki-dia,
- 6Izay nomeko ny tani’hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
- 7Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ny mpampandeha;
- 8Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
- 9Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ny alina?
- 10Mahafatotra ny ombimanga amin’ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
- 11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
- 12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
- 13Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
- 14Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ny vovoka,
- 15Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
- 16Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
- 17Fa efa nampanadinoin’Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
- 18Raha mikopakopak’elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
- 19Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
- 20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony!
- 21Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb. fiadiana]
- 22Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ny sabatra.
- 23Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka* sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
- 24Miriotra mafy* amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina ny tany][**Na: Tsy mino izy fa feon’ny anjomara izany]
- 25Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ny manamboninahitra.
- 26Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
- 27Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
- 28Eny amin’ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ny harambato sy ao amin’ny fiarovana.
- 29Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
- 30Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ny faty dia any izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.