Joba
Toko 41
- 1Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
- 2Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
- 3Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
- 4Tsy mbola hangina Aho ny amin’ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ny endriny.
- 5Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ny nifiny roa sosona?
- 6Iza no mahasokatra ny varavaran’ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
- 7Reharehany ny faharaoraon’ny kirany*, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]
- 8Mikirindro ireo, ka tsy azon’ny rivotra idirana eo anelanelany.
- 9Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
- 10Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ny maraina.
- 11Lelafo no mivoaka avy amin’ny vavany; Kilalaon’afo no mipariaka avy aminy.
- 12Ny vavorony dia ivoahan’ny setroka, tahaka ny avy amin’ny vilany mangotraka, na amin’ny fahandroana*.[Na: afon-kerana]
- 13Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany.
- 14Ny vozony no itoeran’ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
- 15Mivalombalona ny hotraka amin’ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
- 16Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
- 17Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
- 18Raha misy mamely azy amin’ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
- 19Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
- 20Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’antsamotady.
- 21Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
- 22Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ny fotaka izy.
- 23Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
- 24Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
- 25Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
- 26Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ny bibi-dia rehetra izy
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.