Joba
Toko 35
- 1Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
- 2Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’Andriamanitra?
- 3Fa hoy ianao: Mahasoa ahy* manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ny fahotako? [Heb. anao]
- 4Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ny namanao.
- 5Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
- 6Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
- 7Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ny tananao?
- 8Mihatra amin’ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
- 9Noho ny habiazan’ny fampahoriana no itarainan’ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ny mahery,
- 10Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ny alina,
- 11Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ny biby ambonin’ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ny voro-manidina?
- 12Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy.
- 13Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
- 14Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
- 15Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
- 16Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.