Joba
Toko 21
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
- 3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
- 4Raha ny amiko, moa ny ataon’ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
- 5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
- 6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
- 7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
- 8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
- 9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon’Andriamanitra tsy mamely azy.
- 10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
- 11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman’osy izy, ka mikoriana ny zanany.
- 12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ny feon-tsodina.
- 13Mandany ny androny amin’ny fahafinaretana izy; Amin’ny indray mipi-maso monja no idinany any amin’ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
- 14Kanefa anie ireo no manao amin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
- 15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
- 16Indro, tsy avy amin’ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
- 17Indraindray foana no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran’Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran’Andriamanitra fahoriana ho an’ireny]
- 18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ny tafio-drivotra.
- 19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan’ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
- 20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ny Tsitoha.
- 21Fa mampaninona azy moa ny amin’ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ny androny?
- 22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]
- 23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
- 24Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
- 25Ary ny anankiray maty amin’ny fahorian’ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
- 26Samy mandry ao amin’ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
- 27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
- 28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran’ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
- 29Kanefa tsy mba nanontany tamin’ny mpandeha amin’ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*, ambaran’Ireo hoe: [Heb. famantarana]
- 30Amin’ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin’ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
- 31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]
- 32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
- 33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan’ny maro tany alohany.
- 34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.