Joba
Toko 28
- 1Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
- 2Ny vy dia alaina avy amin’ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin’ny vato.
- 3Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin’ny faran’ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton’ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
- 4Mihady lavaka mihalavitra amin’izay itoeran’olona izy ka tsy ampoizin’ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
- 5Ny tany no ihavian’ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
- 6Fitoeran’ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
- 7Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan’ny mason’ny voromahery,
- 8Sady tsy nodiavin’ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan’ny liona masiaka.
- 9Maninjitra ny tànany amin’ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;
- 10Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan’ny masony avokoa.
- 11Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin’ny mazava.
- 12Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?
- 13Tsy misy zanak’olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izy.
- 14Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
- 15Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
- 16Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
- 17Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
- 18Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
- 19Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
- 20Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?
- 21Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany ary takona amin’ny voro-manidina.
- 22Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
- 23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
- 24Fa Izy no mitsinjo hatramin’ny faran’ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin’ny lanitra rehetra izao,
- 25Ka manendry ny lanjan’ny rivotra ary mamatra ny rano amin’ny famarana.
- 26Raha nanao lalana ho an’ny ranonorana Izy sy lalana halehan’ny helatry ny kotrokorana,
- 27Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
- 28Dia hoy Izy tamin’ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin’ny ratsy no fahalalana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.