Joba
Toko 40
- 1[Ny naneken’i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin’i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an’i Joba nanao hoe:
- 2Hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’Andriamanitra no hamaly!
- 3Ary Joba dia namaly an’i Jehovah ka nanao hoe:
- 4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
- 5Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
- 6Dia namaly an’i Joba teo amin’ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
- 7Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
- 8Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
- 9Manan-tsandry tahaka ny an’Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
- 10Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
- 11Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
- 12Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
- 13Asitriho ao amin’ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ny fiafenana ny tavany.
- 14Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
- 15He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]
- 16Indro, eo amin’ny valahany ny heriny, ary eo amin’ny ozatra amin’ny kibony ny tanjany.
- 17Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ny feny
- 18Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
- 19Voalohany amin’ny asan*’Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan’]
- 20Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ny bibi-dia rehetra;
- 21Eo ambanin’ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
- 22Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ny ony no manodidina azy
- 23Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ny vavany aza.
- 24Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
- 25Mahasarika ny mamba* amin’ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ny mahazaka?[Heb. leviatana]
- 26Mahisy tady zozoro amin’ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ny fintana?
- 27Hifon-jato amin’arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
- 28Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
- 29Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ny zazavavy ao aminao va ianao?
- 30Hataon’ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ny mpandranto?
- 31Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ny lohany?
- 32Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.