Joba
Toko 30
- 1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ireo izay nolaviko tsy ho isan’ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
- 2Eny, mampaninona ahy ny herin’ny tànan’ireo. Izay efa very fahatanjahana?
- 3Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
- 4Mitsongo anambodihena eo amin’ny kirihitrala izy, ary ny fakan’ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
- 5Roahina tsy ho eo amin’ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
- 6Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
- 7Minananana eny amin’ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin’ny amiana.
- 8Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin’ny tany.
- 9Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
- 10Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
- 11Fa noketrahin’Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin’iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
- 12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
- 13Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
- 14Toy ny fiditra eo amin’ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin’ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
- 15Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
- 16Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn’ny andro fahoriana aho.
- 17Ny alina mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
- 18Noho ny haben’ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
- 19Eny, nanary ahy teo amin’ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
- 20Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
- 21Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin’ny tananao no andrafianao ahy.
- 22Aingainao ho eny amin’ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin’ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
- 23Fa fantatro fa hampodinao any amin’ny fahafatesana aho, dia any amin’ny trano fivorian’ny olombelona rehetra.
- 24Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran’ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
- 25Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
- 26Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
- 27Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
- 28Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian’ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin’ny hain’andro]
- 29Rahalahin’ny amboadia* aho Ary naman’ny ostritsa.[Na: jakala]
- 30Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]
- 31Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon’ny mitomany ny sodiko.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.