Joba
Toko 23
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin’ny fisentoako.[Na: mangidy]
- 3Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin’ny fitoerany aza!
- 4Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
- 5Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
- 6Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
- 7Fa amin’izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin’ny Mpitsara ahy.
- 8Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
- 9Mianavaratra amin’izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
- 10Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
- 11Ny tongotro nifikitra tamin’ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
- 12Ny didin’ny molony tsy mba nialako; Ny tenin’ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]
- 13Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin’ny fanahiny dia ataony.
- 14Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
- 15Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
- 16Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
- 17Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin’ny tavako Izy]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.