Joba
Toko 29
- 1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2Enga anie ka ho tahaka ny tamin’ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin’ny andro niarovan’Andriamanitra ahy!
- 3Fony mbola nazava teo ambonin’ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin’ny maizina;
- 4Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin’ny laiko ny fisakaizan’Andriamanitra;
- 5Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]
- 6Fony mbola nanasa ny tongotro tamin’ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
- 7Raha niainga niakatra ho eo amin’ny vavahadin’ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
- 8Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
- 9Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
- 10Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin’ny lanilaniny.
- 11Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
- 12Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
- 13Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]
- 14Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
- 15Efa maso ho an’ny jamba aho ary tongotra ho an’ny mandringa.
- 16Efa ray ho an’ny malahelo aho, ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
- 17Namaky ny nifin’ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
- 18Dia hoy izaho: Eo amin’ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
- 19Ny fakako ho azon’ny rano, ary ny ando hitoetra amin’ny sampako mandritra ny alina.
- 20Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
- 21Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin’ny fanolorako saina izy.
- 22Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan’ny teniko izy.
- 23Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
- 24Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan’ny tavako ireo.
- 25Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin’ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.