Joba
Toko 38
- 1[Ny teny navalin’i Jehovah an’i Joba] Ary teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe:
- 2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ny teny tsy misy fahalalana?
- 3Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
- 4Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
- 5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
- 6Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
- 7Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
- 8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
- 9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
- 10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
- 11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
- 12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’andro,
- 13Mba horaisiny ny sisin’ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
- 14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
- 15Ary hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
- 16Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
- 17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana?
- 18Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
- 19Aiza ary no lalana ho any amin’ny fonenan’ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ny maizina?
- 20Mba hitondranao izany ho amin’ny faran’ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
- 21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’izay, ary maro ny isan’ny andronao!
- 22Moa efa niditra tany amin’ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
- 23Izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
- 24Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany?
- 25Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ny helatry ny kotrokorana,
- 26Handatsaka ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona, dia any amin’ny efitra tsy misy mponina,
- 27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
- 28Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ando?
- 29Kibon’iza moa no nihavian’ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?
- 30Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina.
- 31Mahavona ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
- 32Mahavoaka ny Mazarota* amin’ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny ZĂ´diaka(?)]
- 33Fantatrao va ny lalàn’ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va ianao?
- 34Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
- 35Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
- 36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon’ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
- 37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*’ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
- 38Hitambaran’ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
- 39Mahay mihaza toha ho an’ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ny liona tanora,
- 40Raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ny kirihitrala?
- 41Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.