Joba
Toko 13
- 1Indro, izany rehetra izany efa hitan’ny masoko, ary efa ren’ny sofiko ka fantany.
- 2Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
- 3Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
- 4Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
- 5Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
- 6Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
- 7Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an’Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
- 8Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an’Andriamanitra va ianareo
- 9Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak’olombelona va Izy?
- 10Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
- 11Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
- 12Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
- 13Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
- 14Nahoana no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
- 15Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
- 16Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
- 17Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren’ny sofinareo ny filazàko.
- 18Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
- 19Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
- 20Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
- 21Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
- 22Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
- 23Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
- 24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
- 25Moa izay ravin-kazo indaosin’ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
- 26Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
- 27Dia mampiditra ny tongotro eo amin’ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin’ny tongotro dia feranao.
- 28Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin’ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin’ny kalalao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.