Joba
Toko 27
- 1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
- 2Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
- 3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’Andriamanitra.
- 4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
- 5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
- 6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza.
- 7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
- 8Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka* tsoahan’Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
- 9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
- 10Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?
- 11Hampianatra anareo ny amin’ny tànan’Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin’ny hevitry ny Tsitoha.
- 12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
- 13Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra, sy lovan’ny lozabe raisiny avy amin’ny Tsitoha:
- 14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an’ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
- 15Ny ankohonany sisa dia hasitrik’Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
- 16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
- 17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
- 18Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly;
- 19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
- 20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ny tafio-drivotra izy;
- 21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany;
- 22Asian*’Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin’ny tànany izy;[Heb. Torahan’, na Tifirin’]
- 23Tehafin’ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin’ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.