Joba
Toko 3
- 1[Ny fitarainan’i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
- 2nanao hoe:
- 3Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
- 4Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
- 5Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
- 6Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin’ny andron’ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin’ny isan’ny volana;
- 7Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
- 8Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
- 9Aoka ho maizina ny kintan’ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason’ny maraina izy,
- 10Satria tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin’ny masoko.
- 11Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
- 12Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
- 13Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
- 14Teo amin’ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin’ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]
- 15Na teo amin’ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
- 16Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
- 17Any no itsaharan’ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
- 18Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon’ny mpampiasa izy.
- 19Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin’ny tompony.
- 20Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an’izay latsaka amin’ny fangidiana?
- 21Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
- 22Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
- 23Dia olona izay mandeha ao amin’ny maizina sady voafefin’Andriamanitra manodidina.
- 24Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
- 25Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
- 26Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.