Joba
Toko 37
- 1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin’ny fitoerany.
- 2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin’ny vavany.
- 3Mandefa izany ho eny ambanin’ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin’ny faran’ny tany.[Heb. fahazavany]
- 4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon’ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
- 5Mahagaga ny fikotrokotrok’Andriamanitra amin’ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
- 6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin’ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
- 7Mampiohona* ny tanan’ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
- 8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
- 9Avy any atsimo* ny tadio, ary entin’ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin’ireo mpanahakahaka]
- 10Ny fofonain’Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
- 11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon’ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
- 12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin’ny tany eran’izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin’izao tontolo izao ho amin’ny tany]
- 13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an’ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
- 14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon’Andriamanitra.
- 15Fantatrao va ny fanamboaran’Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]
- 16Fantatrao va ny fihevahevan’ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon’Ilay tanteraka amin’ny fahalalana?
- 17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon’ny rivotra avy any atsimo,
- 18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
- 19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
- 20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
- 21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin’ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
- 22Avy any avaratra no ihavian’ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin’Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian’ny volamena]
- 23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]
- 24Koa izany no atahoran’ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.