Joba
Toko 18
- 1[Ny teny fanindroany nataon’i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
- 2Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
- 3Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
- 4Ry ilay mamiravira tena amin’ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin’ny fitoerany?
- 5Tsy izany, fa ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
- 6Ny mazava manjary maizina ao amin’ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
- 7Etena ny herin’ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
- 8Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin’ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin’ny harato izy;
- 9Azon’ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon’ny tadivavarana
- 10Miafina ao amin’ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
- 11Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin’ny alehany rehetra.
- 12Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin’ny mosary izy]
- 13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ny lahimatoan’ny fahafatesana.
- 14Ongotana hiala amin’ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin’ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
- 15Izay tsy taranany no hitoetra ao amin’ny lainy; Solifara no hafafy amin’ny fonenany.
- 16Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
- 17Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin’ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
- 18Roahina hiala amin’ny mazava ho any amin’ny maizina izy ary enjehina hiala amin’izao tontolo izao.
- 19Tsy manana fara mandimby eo amin’ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin’ny fonenany.
- 20Ny manjo azy dia italanjonan’ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
- 21Izany tokoa no anjaran’ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an’Andriamanitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.