Joba
Toko 31
- 1Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]
- 2Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ny Tsitoha any amin’ny avo?
- 3Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
- 4Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
- 5Raha tàhiny nandeha tamin’ny fitaka aho na niezaka tamin’ny fahafetsena.
- 6(Enga anie ka holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizanan’ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
- 7Raha tàhiny nivily niala tamin’ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ny tanako:
- 8Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
- 9Raha tahìny adala tamin’ny vadin’olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,
- 10Dia aoka kosa ny vadiko halain*’ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an’]
- 11Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ny mpitsara;
- 12Fa afo mandevona hatrany amin’ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
- 13Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
- 14Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
- 15Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
- 16Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ny malahelo ka nahapahina ny mason’ny mpitondratena,
- 17Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ny kamboty
- 18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
- 19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
- 20Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon’ondriko;[Heb. valahany]
- 21Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
- 22Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ny taolam-panaviko.
- 23Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy amin’Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
- 24Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
- 25Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ny fananako sy noho ny nahazoan’ny tanako harena betsaka;
- 26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ny fangarangarany izy,
- 27Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
- 28(Dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho);
- 29Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
- 30(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
- 31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin’ny fianakaviany?]
- 32Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
- 33Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
- 34Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ny fokon’olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
- 35Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ilay manana ady amiko!
- 36Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
- 37Ny isan’ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ny zanak’andriana no hanatonako Azy.
- 38Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
- 39Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain’ny tompony:
- 40Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’i Joba.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.