Joba
Toko 4
- 1[Ny teny voalohany nataon’i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
- 2Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
- 3Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
- 4Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
- 5Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
- 6Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
- 7Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
- 8Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
- 9Ny fofonain’Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ny fahatezerany no mahalevona azy.
- 10Ny feon’ny olona, eny, ny feon’ny liona masiaka, ary ny nifin’ny liona tanora dia ombotana;
- 11Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
- 12Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
- 13Tamin’ny eritreritra avy amin’ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
- 14Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
- 15Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
- 16Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
- 17Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak’olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan’]
- 18Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
- 19Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin’ny vovoka fiorenany]
- 20Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
- 21Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.