Joba
Toko 32
- 1[Ny teny nataon’i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
- 2Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’i Eliho, zanak’i Barakela, Bozita, avy amin’ny fokon’i Rama; eny, tamin’i Joba no nirehetan’ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
- 3Ary tamin’ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’i Joba*.[Na: teny havaliny an’i Joba hanamelohany azy]
- 4Ary Eliho mbola niandry an-dr’i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
- 5Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
- 6ka dia niteny Eliho, zanak’i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
- 7Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ny taona no hampianatra fahendrena.
- 8Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy* ny fofonoin’ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
- 9Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
- 10Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
- 11Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
- 12Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
- 13Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
- 14Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
- 15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
- 16Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
- 17Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
- 18Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
- 19Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
- 20Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
- 21Aoka tsy hizaha tavan’olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
- 22Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ny Mpanao ahy faingana aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.