Joba
Toko 7
- 1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany? Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?
- 2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany,
- 3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
- 4Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan’ny andro.[Heb. hariva]
- 5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
- 6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
- 7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
- 8Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
- 9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
- 10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
- 11Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian’ny aiko.
- 12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
- 13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
- 14Dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin’ny tsindrimandry;
- 15Ka dia aleon’ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]
- 16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
- 17Inona moa ny zanak’olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
- 18Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
- 19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
- 20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
- 21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.