Joba
Toko 26
- 1[Ny teny navalin’i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
- 2Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
- 3Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
- 4Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’izay no nivoaka avy tao aminao?
- 5Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ny rano sy any ambanin’ny mponina any.
- 6Ny fiainan-tsi-hita* miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
- 7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ny tsy misy.
- 8Fonosiny amin’ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ny rahona tsy mety triatra.
- 9Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ny amelarany ny rahony hanarona azy.
- 10Asiany faritra manodidina eny ambonin’ny rano. Hatramin’izay ihaonan’ny mazava sy ny maizina.
- 11Ny andrin’ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ny teny mafy ataony.
- 12Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*; [Izahao ix. 13]
- 13Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
- 14Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.