Joba
Toko 17
- 1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
- 2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
- 3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
- 4Fa ny fon’ireto dia voahidinao tsy hidiran’ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
- 5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ny zanany.
- 6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
- 7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
- 8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
- 9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
- 10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
- 11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ny foko indrindra;
- 12Ny alina ataon’ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
- 13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin’ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
- 14Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
- 15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
- 16Midina any amin’ny vavahadin’ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.