Joba
Toko 24
- 1Nahoana no tsy misy fotoan’andro voatendrin’ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny Izany?
- 2Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy.
- 3Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy, ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho tsatòka.
- 4Manosika ny mahantra hiala amin’ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin’ny tany.
- 5Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak’ireny ho amin’ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an’ny zanany.
- 6Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
- 7Mandry mitanjaka amin’ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin’ny hatsiaka;
- 8Kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin’ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
- 9Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin’ny ory.
- 10Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
- 11Manao diloilo eo anatin’ny tambohon’ny mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon’ireny]
- 12Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona; Nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy atao.
- 13Ireny no mpikomy amin’ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin’ny alehany.
- 14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
- 15Ny mason’ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
- 16Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
- 17Fa ny aizim-pito* no marainan’ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran’ny aizim-pito* izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
- 18Mitsinkafona paohin’ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin’ny tany; Tsy mivily ho amin’ny lalana mankeny amin’ny tanim-boaloboka izy.
- 19Toy ny andevonan’ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan’ny fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]
- 20Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an’ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy*,[Heb. faharatsiana]
- 21Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
- 22Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
- 23Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
- 24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
- 25Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.